“Muay Thai Tournament 3” : Ady 17 no hitranga any Toamasina

Hotanterahina any Toamasina, ny 23 novambra izao, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, karakarain’ny GISL. Efa vonona tanteraka ny fanatanterahana ity fifaninanana ity.

Raikitra ny fifaninanana! Andro sisa andrasana, araka ny nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas, avy amin’ny ny GISL (Grande île sports loisirs) mpikarakara. Efa roa herinandro izao no nan­deha ny fanomanana re­hetra amin’ity fifaninanana hatao any Toamasina ity. Ady 17 no hitranga mandritra izany ary saika ho tazana amin’io avokoa ireo nandray anjara tamin’ny andiany faha-2, natao farany teo teto Antananarivo. Hampiavaka ny amin’ity andiany fahatelo ity kosa ny fanatanterahana izany any amin’ny faritany, miala amin’ny mahazatra. Eo ihany koa ny haavo teknika izay antenaina fa hiakatra satria nanomana mafy daholo ireo mpikatroka. Tanjo­na ny hampandroso ity taranja Muay thai ity manerana ny faritra ka atomboka any Toama­sina izany, araka ny nambaran-dRazanajatovo Carine. Nan­teriny fa anatin’ny fanatsarana ny lenta teknika ny Nak Muay ankehitriny ka hisy ny fifampizarana traikefa taorian’ny niatrehana fiofanana tany Mao­risy. Ankoatra ny isan’ny mpikatroka sy ny ady, efa fantatra ihany koa ireto klioba sy faritra handray anjara, anisan’izany ny klioba mpikarakara, ny GISL, ny Tiger’s, Team Dam, COSPN, Ambositra, Betafo, Antsirabe. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fifaninanana raha ny fandaharam-potoana ary anisan’ny handray anjara ireo mpikatroka niatrika fifaninanana tany Maorisy fa­rany teo, dia i Olga sy i Jerry izany. Manohana ny klioban’ny GISL amin’izao hetsika izao, ny Henri Fraise izay tarihin’i Charles, ka notoloran’izy ireo fisaorana manokana. Ny Henri Fraise no manome toerana hi­kotranana sy fitaovana ampiasaina mandritra ny fanomanana, eo ihany koa ny fanatanterahana ny fifaninanana.

Mi.Raz

Partager sur: