Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianja Betongolo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny kilonga, “Ankizy milalao”. Azo lazaina fa nahomby tanteraka ny hetsika izay nokarakarain’
ny Analakely Football Academy (AFA) tamin’ity, satria nahatratra 1 200 isa teo ireo ankizy mpilalao baolina kitra tonga teny an-toerana. Nisy ny natao ho an’ny sokajy U7, U9, U11, U13 ary ny vehivavy.
Avy amin’ny sekolin’ny baolina kitra maromaro eto amin’ny faritr’Antananarivo izy ireo. Ankoatra ny AFA, mpikarakara, dia tazana tao koa ny Elgeco Plus, ny Ajesaia, ny EFT, ny In Soccer, ny 67 City, ny JSEM, ny H plus, ny EFMA, ny Les AS de Tana, ny La Masia, ny Five, ny Les Elites, ny Albatros, ny US Pro, ny Jet Mada, ny Capucins, ny TPK, ny Espoirs FC. Raha ny filazan’ireo mpikarakara, natao hanomezana sehatra ny ankizy mankafy ny baolina kitra ity fifanintsanana ity, ary mba hijerena manokana ny baolina kitra eny ifotony. Nampiavaka ny hetsika ny lalao nifanandrinan’ny vehivavy mpilalaon’ny Cosfa Academy sy ny ekipan’i In Soccer. Mangataka ny hisian’ny andiany faharoa ny mpandray anjara.
Tsy tazana …?
Amin’ny fifaninanana tahaka izao, tsy dia tazana ny rafitra federaly misahana ny baolina kitra eto Madagasikara, indrindra ny tomponandraikitry ny baolina kitra sokajy zandriny. Ny hetsika toy itony nefa dia tokony ho tohanana sy hamafisina ary natao sahady hitsirihina ireo taninketsa. Antenaina fa handray lesona ny mpitantana ka hijery sy hanohana ireo sekolin’ny baolina kitra maro eto an-toerana.
Fitia Randria




