Nanao antso avo amin’ireo mpilalao kalaza teo aloha, miandrandra fandrosoana amin’ny baolina kitra, ny lehiben’ny klioba Ajesaia, Ravelonarivo Jasmina. “Atombohy aminareo aloha ny fampandrosoana ny baolina kitra. Jereo ny tany niaviana, jereo ny klioba namolavola anareo. Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy hetsika fanampiana ho an’ny klioba niaviana,” hoy izy.
Nilaza izy fa tokony hanaraka ny ohatra tsara asehon’ireo kalaza any ivelany ireo mpilalao eto an-toerana, toa an’i Sadio Mané, senegaley, izay manangana fotodrafitrasa sy manampy mivantana ny klioba fiaviany. Raha misy hevitra tiana haroso, hoy ny filohan’ny klioba, dia tokony hangonina izany ary hatolotra mivantana ny federasionina.
Ankoatra izay, nanolotra baolina ho fanohanana ny klioba Ajesaia, teny an-kianja, ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), tamin’io fotoana io. Maro tamin’ireo mpilalaon’ny Ajesaia no nandrafitra ny Barea Can, Chan, lalaon’ny Nosy.
F.R




