Tovolahy voatifitra teny Andranoro : Mitaky ny marina ny fianakavian’i Nekena

Nilanja sorabaventy teny anoloan’ny minisiteran’ny Fitsarana, eny Faravohitra, omaly, ny fianakavian’ny lasibatra nandritra ny poa-basy nahafatesan’olona teny An­dranoro. Mitaky ny fandrasain’andraikitry ny fitsarana ahafahan’ny marina mivoaka momba ny nahafaty ny fianakaviany izy ireo, araka ny fanazavana voaray teny an-toerana. « Tsy nangalatra na nandroba ny havanay kanefa notifirina ary niafara tamin’ny famoizana aina izany », hoy ny loharanom-baovao. Misy amin’ireo tanora lasibatra mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana. Anisan’ireo voa mafy ka niady tamin’ ny fahafatesana tao anatin’ny herinandro maromaro i Ne­kena, taorian’ny nahavoan’ny bala azy teo amin’ny faritry ny kibony, ny 26 septambra lasa teo.  Nanao antso avo sy nangataka tolo-tanana teo anivon’ny tambajotran-tserasera ny fianakaviany, saingy tsy tana ny ain’io tovolahy io. Tsia­hi­vina, nirefodrefotra ny basy ka namoizana aina olona teny amin’ny fokontany Andra­noro, kaominina Ambohibao Ante­hiroka, tsy lavitry ny trano fonenan’ny ray aman-drenin’ny filoha teo aloha, ny alin’ny 26 septambra lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: