BNGRC : Maika ny fiatrehana ny fahavaratra

Natao omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny tale jeneralin’ny birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC). « Maika ny fiatrehana ny fahavaratra izay efa manomboka amin’izao fo­toana », hoy ny tele jeneraly vaovao, Ramanantsoa Gabriel.
Heverina ho 3 ny rivodoza handalo eto Madagasikara ary efa miomana amin’izany ny BNGRC. Ampiharina ny tek­nika rehetra nozaraina tamin’ ny fampiofanana nomena teny ifotony dia ny fisorohana ny hamafin’ny fiantraikan’ny loza mba hampihena ny fahavoazana. Hisy ihany koa ny fitaovana vaovao omen’ny tetikasa “Mionjo”, avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hahafahana miatrika ny karazana loza mety hiseho. Ankoatra izany, ny fanampiana ara-pitaovana avy amin’ny orinasa Rio Tinto, hanampy ireo efa an-tanana hiatrehana ny fahavaratra…
Efa vonona ny Tahirim-pirenena hiatrehana ny loza avy amin’ny fanjakana ary efa voafaritra ny fitsinjarana izany amin’ireo faritra tena mila azy.
Faritra 12 no efa fantatra fa anisan’ny tena marefo ka hisitraka io tohana manokana io. Efa nisitraka fiofanana avokoa ireo kaominina ao anatin’ izany faritra izany hahafahana mifehy ny loza mialoha sy mandritra ary aorian’ny fandalovany.

Tatiana A

Partager sur: