Lalao ara-pirahalahiana : Raikitra ihany ny fihaonan’ny Barea sy i Guinée Equatoriale

Na dia teo aza ny vaovao naelin’ny Federasionina gineanina (FeGuiFut), ny zoma lasa teo, fa tsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’izy ireo ny hifandona amin’ny Barea. Fantatra omaly ihany, fa i Madagasikara sy i Kenya, no hifanandrina aminy.

“Saika ratsy”! Nanitsy ny vaovao navoakany tao anatin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo ihany, ny Federasiona gineanina baolina kitra (FeGuiFut). Nambarany, omaly, fa efa nandefa taratasy tany amin’izy ireo ny Fifa fa i Kenya sy i Madagasikara no hifanandrina amin’izy ireo, ny 12 sy ny 17 novambra ho avy izao, any Turquie.

Diso, araka izany, ilay fa­nambarana nataon’izy ireo, ny zoma 7 novambra lasa teo, izay milaza fa tsy ao anatin’ny fandaharan’izy ireo ny fifanandrinana amin’ny ekipa nasionaly malagasy. Nisy mihitsy aza ny valandresaka niara­hana tamin’ny mpanao gazety, nanaovan’izy ireo fanamba­rana fa mpilalao 24 no nan­tsoin’ny mpanazatra, hifan­dona amin’i Zambia sy Kenya, tamin’io fotoana io ihany.

Ankoatra izay, nilaza ny lo­haranom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa efa vita tanteraka ny famandrihan-toerana eny anivon’ireo hotely ho an’ny ekipa nasio­naly malagasy hiatrika io fi­haonana ara-pirahalahiana io.
Mbola hanohy ny asany ve i Corentin Martins?

Aorian’io fihaonana ara-pirahalahiana io, fantatra fa hifarana ny volana janoary ho avy izao ny fifanarahana eo amin’ny mpanazatra Corentin Martins sy ny FMF. Mbola baraingo ny ho tohin’ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. Tsiahivina fa tamin’ny fitondrana teo aloha, ny fanjakana sy ny Federasionina no mandoa ny karaman’ity mpanazatra ity. Hatramin’ny nanoratanay omaly, tsy mbola nisy ny filazana ofisialy fa nisy ny fanavaozana fifanarahana teo amin’ny mpanazatra sy ny rafitra federaly.

Fitia Randria

Partager sur: