« Mada sénior 2025» : Rava tsy lera ny lalao

Ratsy fiafara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­kara, taranja handball, sokajy Sénior 2025. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny ala­hady 9 novambra lasa teo. Tsy tontosa hatramin’ny farany man­tsy ny fihaonana teo amin’ny sokajy lehilahy, nikatrohan’ny Littoral SC Atsinanana sy ny HBC Cut Atsimo Andrefana. Niala an-daharana ary tsy nety nanohy ny lalao intsony ny ekipan’ny HBC Cut, teo amin’ny minitra faha-53. Efa nitarika tamin’ny isa, 23 no ho 21 ny klioban’Atsinanana, tamin’io. Voahosotra ho tompondaka, araka izany, ny Littoral SC. Tsiahivina fa rava tsy lera toy izao koa ny famaranana teo amin’ny Cosfa sy ny AS St Michel, tamin’ny taon-dasa.
Ho an’ny vehivavy indray, norombahin’ny My-Sah Atsina­nana ny amboara rehefa nandresy ny THBC Analamanga, ta­min’ny isa tery 25 no ho 24, izy ireo. Niady hatramin’ny voalo­hany ka hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta. Hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCOI) izany ireo ekipa roa niatrika ny famaranana.

Tompondaka

Partager sur: