SOMBIM-BAOVAO

Mialoha ny handehanan’ny Makis Ladies ho any Kenya, noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, ny zoma teo, tetsy Ambohijatovo, ny vehivavy malagasy mpilalao Rugby. Notoloran’ny minisitra vatsin-dalana izy ireo tamin’io fihaonana io, ary nanolotra tsodrano ho an’ireto ekipam-pirenena malagasy hitondra avo ny voninahim-pirenena ireto izy.
Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny mpikarakara ny « Ankizy milalao », omaly, fa tonga nanatrika ny famaranana ny hetsika baolina kitra natokana ho an’ny kilonga, ny solontenan’ny Federa­sio­nina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Marihina fa tany amin’ny fanokafana ny hetsika dia tsy tazana ny tomponandraikitra.
Hotanterahina any Indonésie, ny 11 hatra­min’ny 17 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Bodybuilding, ho an’ny taona 2025. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena roa lahy, ahitana an’ i Rado sy i Maurice. Nandeha irery izy ireo fa tsy nisy mpanazatra nanaraka noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Nianto-tena tanteraka ihany koa izy roa lahy ireto, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny federasionina mala­gasin’ny Bodybuilding. Omaly izy ireo no nanainga teto an-tanindrazana ary hanomboka anio ny fifaninanana raha ny fandaharam-potoana.

Partager sur: