Tsipy kanetibe – Afrique 2025 : Ho any Mauritanie ny ekipan’ny Pac

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Mai­bahoaka Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madaga­sikara, taranja tsipy kanetibe olon-telo miaraka. Nandrom­baka ny anaram-boninahitra ny ekipan’ny Pac Ampitata­fika, nahitana an’i Balôty sy i Salohy ary i Mamy Ronal­dinho, rehefa nandresy ny APM Boeny, nisy an’i Jean-Marc sy i Sitraka ary i Augustin, tamin’ny isa mazava 13 no ho 2. Hisolo tena an’i Ma­dagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Mauritanie, ny 22 ka hatramin’ny 28 novambra ho avy izao, ny ekipan’ny Pac.
Ankoatra izay, lasan’ny SBA Ambohimahasoa ny teo amin’ny sokajy vehivavy, nisy an’i Hasina sy i Judicael ary i Felana. Ho an’ny zandriny indray nentin’ny HPMC + Matsiatra Ambony nody ny amboara. Nandrafitra ity ekipa ity i Franco sy i Jisaia ary i Ortega. Ho an’ny zokiny, “ve­teran”, tompondaka ny klioba C2BA, nisy an’i Ndrema sy i Rolland ary i Niry. Dingana ma­naraka ho an’ny Federa­tion sport boule malagasy ny fiatrehana ny fanavaozana ny mpitantana isan’ambaratonga ka hisantatra izany ny an’ireo ligim-paritra. Fifidianana ho­tan­terahina ny sabotsy 6 de­sambra ho avy izao. Efa fantatra avokoa ireo kandidà hiatrika izany ho an’ireo ligim-paritra miisa 12. Nanomboka omaly ka hatramin’ny 1 desambra ny fanaovana fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà rehetra.

Tompondaka

Partager sur: