Zaza enim-bolana nataon’ny rainy sy ny renibeny sorona tany amin’ny ladoany, tao amin’ny kaominina Miandrarivo. Voasambotra ireo nahavanon-doza.
Notanan’ny zandarimaria manao ny famotorana avokoa ny ray niteraka, ny reniben’ny zaza ary ny mpanandro iray tompon’antoka tamin’ny vono olona tao amin’ny fokontany Ambavahadivato, kaominina Miandrarivo, distrika Faratsiho, ny 7 novambra lasa teo. Tsy hita nandritra ny roa andro ny zazamenavava vao enim-bolana monja, tao anatin’io fokontany io. Nikaroka azy ny reniny sy ny fianakaviany sasantsasany, saingy tsy nahita nangirana tamin’ny fotoana nahaverezany. Ny rainy rahateo izay tompon’andraikitra nitaiza ny zaza tamin’ny fotoana nahaverezany. Nitoroka teny anivon’ny manam-pahefana ny fianakavian’ilay zazavery noho ny fihetsiky ny rainy sy ny renibeny, izay nampiahiahy. Niroso tamin’ny famotorana ny mpitandro filaminana. Voasambotra ny reniben’ny zaza.
Sakaizan’ilay mpimasy
Nifampisakaiza tamin’ny mpimasy izay nitarika tamin’ny fanaovana sorona ilay zafiny tany amin’ny ladoany io renibe io, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny voasaringotra koa ny ray niteraka. Nokarohina ity farany ary tratra. Nitoroka ny toerana nanariany ny fatin’ilay zanany vao enim-bolana monja io lehilahy io. Niaraka nentina natao famotorana avokoa taorian’izay ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza, ny reniben’ny zaza ary ilay mpimasy. «Tompon’antoka tamin’ny fanantanterahana io sorona io ilay mpimasy», hoy hatrany ny fanazavan’ny zandarimaria.
Tsiferana R.




