Fitaovana maro azon’ny oniversite rehetra manerana ny Nosy hanatomombanana ny fikarakarana ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity. Hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ihany koa izany.
Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony, nahazo fitaovana vaovao sady raitra manaraka ny fenitra takina amin’izao fotoana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikaroana ara-tsiansa izay hozaraina amin’ny oniversite rehetra manerana ny Nosy.
Ordinatera maro karazana, imprimante ary kojakoja inforatika maro no hita amin’izany.
Entina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ireo fitaovana ireo. Vaindohan-draharaha amin’izany ny hanatanterahana ny fikarakarana ny fanadinana bakalorea mba tsy hisy tomika. Hiantohana ny fampandehanana ny fanatobiana niomerika ihany koa.
Tamin’ny alalan’ny tetikasa Fonds commun de l’éducation (FCE), ivondronan’ny AFD, ny Unicef, ny Vondrona eoropeanina ary ny Global Partnership Education no nahazoana namatsy ny fitaovana.
Nisolo tena ireo mpiara-miombon’antoka nanolotra izany ny masoivoho frantsay, Guillois Arnaud. Nandray ny fitaovana kosa ny minisitra Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy.
Taorian’ny fanolorana fitaovana, nisy ny fotoana fifampizarana niarahan’ireo filohan’ny Oniversite sy ny solontenan’izy ireo, ary ireo ivontoeram-pikarohana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola.
Sehatra nahafahan’izy ireo naneho ny hetahetany sy ny faniriany amin’ny fiaraha-miasa, araka ny tena filan’ny Oniversite tsirairay sy ny ivontoeram-pikarohana io natao io. Manokatra fiaraha-miasa vaovao amin’ireo mpiara-miombona’antoka ny dinika ary nahafantarana ny laharam-pahamehana eo amin’ny filana fototra amin’ny fampianarana ambony. Na samy oniversite aza dia samy manana ny tena manahirana azy ny isaky ny faritany.
Tatiana A




