INDRAY MIJERY

Fantatra nandritra ny fananganan-tsaina fanaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny alatsinainy teo, fa misy ny « audit » atao amin’ ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. Ho apetraka koa ny vaomiera hamaha ny olana maro takin’ny sendikà, ny interne sy internes qualifiants ary ny mpianatra.

Nisy ny atrikasa fandinihana famolavolana ny fanomanana ny didy fampiharana, ny fandaharam-potoan’ny fanadinana, ny fomba fanombanana ary ny fanamarinana araka ny fomba APC, natao omaly. Dingana ho amin’ny fanavaozana sy ho fanomezana lanja ny tanora amin’ny sehatry ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa eto Madagasikara izany.

Miakatra ny manga, mila mitandrina amin’ny fihinanana azy ireny mba tsy hitondra loto any anaty ka hiteraka tsy fahasalamana avy eo. Mila sasana tsara sy diovina hiala ny ditiny. Voankazo tian’ny lalitra, bibikely mitondra loto, ny manga. Sasana madio ary tehirizina amin’ny toerana azo antoka rehefa voadio tsara ny voankazo rehetra.

Partager sur: