Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nanainga omaly talata ireo mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara avy eto an-toerana. Efatra mirahalahy izy ireo, ahitana an’i Rado sy i Mamisoa ary i Toldo, miampy an’i Nicolas. Ankoatra azy ireo, ny mpanazatra mpanampy, i Hildecoeur. Hihazo avy hatrany an’i Turquie ry zalahy, hiatrika ilay lalao tsapa hifanandrinana amin’i Guinée Equatoriale, ny 17 novambra ho avy izao. Nialoha izany, naka tsodrano, noraisin’ny filoham-panjakana, kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izy ireo. Notsiahivin’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, Randriamanampisoa Alfred, fa tafakatra laharana faha-106 ny Barea raha tany amin’ny faha-112 teo aloha. Noho ny fandresena miisa telo nataony tao anatin’ny lalao fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026” no nahatonga izany, araka ny nambarany.
Nanambara ny Filoham-panjakana fa vonona hiara-kiasa; ho amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra malagasy.
Tompondaka




