SOMBIM-BAOVAO

Hatramin’ny nanoratanay omaly, tsy mbola tazana tao amin’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny resaka mahakasika ny tohin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa na­sionaly. Marihina fa tsy maintsy miandry an’io fifaninanana io, vao fantatra ireo ekipa roa tafakatra ao amin’ny diviziona voalohany, « Pureplay Football League (PFL) ».
Hotanterahina ny alakamisy ho avy izao, ao Parc de Princes, ny fifanandrinan’i France sy Ukraine. Lalao baolina kitra tafiditra amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana maneran-tany “Mon­dial 2026”. Efa tazana namonjy ny fampivondronana, omaly, ireo frantsay kalaza, toa an-dry Mbappé, Kanté, Koundé. Marihina fa raha mandresy eo i France, efa ma­zava tanteraka ny lalany mankany amin’ny “Mondial 2026”.
Hotanterahina any Fianarantsoa, ny 18 hatramin’ny 21 novambra izao, ny fiofanana ho an’ny mpanazatra eo amin’ny taranja volley-ball. Fiofanana hiarahan’ny Federa­sionina malagasin’ny volley misalahy amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro ka hisy ireo mpampiofana avy amin’ny ANS hizara ny traikefany mandritra io efatr’andro io.
Seksionina 9 indray no nahavita fifidianana ho an’ny taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nahavita izany ny ao Antsohihy, Mananjary, Befandriana Nord, Mandritra, Bealanana, Fianarantsoa I, Ambohima­hasoa, Morondava ary ny seksionina Mahajanga I.

Partager sur: