Niara-naiditra am-ponja izy mivady noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fanolanan-jaza tany Miarinarivo. Tovolahy iray kosa migadra 5 taona noho ny fanolanana, tetsy Ankazomanga.
Voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra, omaly, ny tovolahy nanolan-jaza tsy ampy taona tetsy Ankazomanga. Niakatra fitsarana tetsy amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny raharaha momba io fanolanan-jaza io, omaly. Nanamparan’ilay tovolahy 19 taona ny filan-dratsiny ny zazavavy vao 13 taona monja, ny desambra 2024 lasa teo. Nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana ny fianakavian’ny zaza noho ny fahasimban’ny zanak’izy ireo sy ny fahapotehan’ny fiainan’ity zaza ity. Niroso tamin’ny fanamarinana rahateo ny mpitsabo ka hita fa niharan’ny fanolanana ilay zazavavy. Nosamborin’ny mpitandro filaminana, araka izany, ny nahavanon-doza. Nentina natao famotorana, ary natolotra teo anatrehan’ny fampanoavana. Notanana vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, taorian’io. Niakatra fitsarana omaly ny raharaha. Dimy taona no sazy nomen’ny mpitsara an’ ilay mpanolana. Raha tsiahivina, nisy ny fandrasaina fepetra nataon’ny filoha teo aloha manoloana ireo mpanolana. Anisan’izany, ny « castration » izay tsy ahafahan’ilay nanao ratsy miteraka intsony. Tsy naharenesam-peo intsony ny momba io fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana teo aloha io taty aoriana.
Mpivady naiditra am-ponja
Ankoatra izay, olona roa hafa naiditra am-ponja ao Ampasamanantongotra, kaominina Ambanivohitra Miarinarivo II, omaly. Nanolan-jaza miisa roa, izay vao 8 taona sy 10 taona, ny raim-pianakaviana iray, ny 7 novambra teo. Niray tsikombakomba tamin’ ny fanatanterahana ny filan-dratsiny ny vadin’io rangahy io. Niara-notanana izy mivady ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja azy ireo izao.
Tsiferana R.




