JICA : Tanora malagasy 3 nisitraka vatsim-pianarana

Vatsim-pianaran’ny Jica, “SDG’s Global Leader” sy “ABE Initiative” no nositrahin’ny tanora malagasy 3 mianadahy, ny volana septambra teo. Mikendry ny hanofana Malagasy mpitarika mba hahavita mamolavola tetikasa azo hampiharina amin’ny olana mifandraika amin’ny fampandrosoana maha­ritra ny vatsim-pianarana “SDG’s Global Leader”.
Ny “ABE Initiative” kosa natao hampitombo ny ny fahaiza-manao sy ny fahalalan’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fiofanana Master sy fianarana asa ao anatin’ny orinasa japoney mandritra ny enim-bolana.
Ireo tanora mpitarika ireo no hitondra fahalalana, fahaiza-manao matihanina ary tambajotra iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara aorian’ny fiofanany.
Anisan’ny nisitraka ny vatsim-pianarana Andriamaniraka Nathalie (PhD Digital Business & Innovation, Tokyo Inter­national University (SDG)). Toky Ny Aina Maminandrasana (Master International Agribusiness Management, Tokyo University of Agriculture (ABE)) ary Rakotondramanana Lovatiana Miharintsoa (International MBA, Waseda University (ABE)).

Tatiana A

Partager sur: