IPM: Malagasy nikaroka ny momba ny moka

Nampahafantatra ny fikarohana nandraisan’ireo Mala­gasy anjara ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM). Faman­­tarana ny niandohan’ny moka an-tanàn-dehibe mpitsentsitra ran’olombelona ao Londres no nanaovan’izy izany.
Tambajotran’ny fikambanana sy manam-pahaizana iraisam-pirenena antsoina hoe PipPop (the Culex Pipiens PoPulation Genomics Pro­ect),­ miara-miasa amin’ny fikarohana lalindalina kokoa momba ny fivoaran’ity karazana moka ity, izy ireo. Mitondra aretina toy ny « fièvre du Nil occidental » sy « filariose lymphatique » io moka nanaovana fikarohana io.
Fiaraha-miasa namoahana vokatra vaovao, notarihin’ireo siantifika avy ao amin’ny Oni­versiten’i Princeton.
Nandritra ny taona maro, nihevitra ny manam-pahai­zana fa io moka io izay nivoatra avy amin’ilay moka mpi­tsen­­tsitra ram-borona antsoina hoe Culex Pipiens form Pipiens, tao amin’ny metro sy lakandrano any Eoropa Avaratra. Saingy manohitra izany kosa ity vokatry ny fikarohana vaovao ity.
Rehefa nodinihina ny AND an’ireo moka an’arivony nangonina manerana izao tontolo izao ary anisan’izany ny avy eto Madagasikara dia hita fa efa nipoitra mihoatra ny 1 000 taona lasa io moka an-tanàn-dehibe io.

Tatiana A

Partager sur: