INDRAY MIJERY

Nitsidika ny ivontoeram-pampiofanana, LTP sy CFP Ampasampito, ny minisitry ny Fampianarana tek­nika sy ny fanofanana arakasa. Nidina ifotony nijery ireo efitrano fiofanana amin’ny sehatry ny Ouvrage métallique, informatique ary imprimerie. Mitana andraikitra lehibe amin’ny fananganana firenena matanjaka sy mandroso ireo ivontoeram-panofanana satria ao no hanomanana tanora ho olon-kendry, mahay ary manam-pahaizana amin’ny sehatra samihafa ilain’ny fampandrosoana.
3 500 Ar ka hatramin’ny 4 000 Ar ny akondro iray kilao ao Antsiranana. « Efa tsy mahavokatra akondro betsaka intsony ny kaominina Joffre Ville, Antsi­ra­nana II, fa voatery manafatra amin’ny kaominina manodidina. Ny fanotrehana azy sisa no sahanin’ny mponina ao. Izay no miteraka ny fiakaran’ny vidiny eny amin’ny tsena rehetra », hoy ny ben’ny Tanàna, Miadana Séra­phin. Mampiavaka ity kaominina ity ny famokarana akondro manana kalitao tena tsara, teo aloha.
Efa vita godirao ny lalana mampitohy an’Am­banja sy Antsiranana (RN6), ampahany kely sisa no miandry ny fandrakofana izany ary efa tazana miasa tsy tapaka ny milina manao ny asa. Ora dimy no hanao­vana izany amin’izao fotoana izao ka nampihena ny ora lany eny an-dalana. Tena mbola ratsy kosa ny lalana an­koatra izay, indrindra ny mampitohy an’i Boriziny sy Antsohihy, hatrany Befotaka Avaratra.

Partager sur: