Ho fiatrehana sahady ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana any amin’ny faritr’i Toamasina, ny Disciples FC Vakinankaratra. Araka ny vaovao efa miely, manerana ny tambajotran-tserasera, hifandona amin’ireo mpilalao milaravinahitra sy ireo nandrafitra ny Barea Chan farany teo ity klioba avy atsy Vakinankaratra ity, ny 28 desambra ho avy io, ao amin’ny Kianja Barikadimy.
Manana mpilalao efa nandrafitra ny Barea Chan maro moa ny Disciples FC, anisan’ izany ry Donga, Tendry, Drogba, Fabrice, Bono, Claude, Ryan ary i Andy. Hifandona amin’ izy ireo, amin’izany, ry Tony, Rado, i Tsiry Kely, i Boura, … Nilaza ny lehiben’ny Disciples FC fa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny taom-pilalaovana ho avy ry zareo amin’ izao fotoana. Etsy ankilany, tsy mbola fantatra ny fotoana hanombohan’ny fifaninanana PFL.
Tanjona apetraka hatrany ny hikendry pao-droa amin’ny taom-pilalaovana manaraka, saingy mitaky fiezahana izany. Maro ireo mpilalao, zandriny, novolavolain’ny Disciples FC, nampiakarina, toa an-dry Mikoja, nandrombaka ny mpilalao zandriny mendrika indrindra nandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’Analamanga.
Fitia Randria




