Fiarakely iray, marika Ford, nanitsaka olona tetsy amin’ny fokontany Anosibe Zaivola, Lalam-baovao mihazo an’Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Lalam-baovao mihazo an’Ambohitrimanjaka, anatin’ny fokontany Anosibe Zaivola, boriborintany fahenina, omaly tamin’ny 9 ora maraina. Afaka kely ny tetezana sampanana Art Malagasy no nitranga ny loza. Raim-pianakaviana iray, 57 taona, nitondra bisikileta voadonan’ny fiarakely, marika ford, miloko manga, tamin’izany. Avy aty Antananarivo, hihazo an’Ambohitrimanjaka io fiara niavian’ny loza io. Nandeha mafy ary nandona sy nanitsaka ilay mpitondra bisikileta nandeha tamin’ny sisiny ankavanan-dalana mifanindran-dalana taminy. Taorian’ izay, mbola nandona moto iray nanao taingin-droa ihany koa izy io. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpitondra bisikileta, noho ny hamafin’ny dona. Naratra mafy kosa ilay mpitondra moto 27 taona sy ny vehivavy iray 26 taona, izay nandeha taminy. Efa nentina eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha moa izy ireo taorian’ny loza.
Nitsoaka, tratra teo Mahitsy-Ambohitrimanjaka
“Nijanona kely teo amin’ny toerana nisehoan’ny loza ilay fiara, avy eo nitsoaka nirifatra”, raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana avy amin’ny zandarimaria Ambohitrimanjaka sy ny Polisy avy amin’ny CSP 6 ka tratra teny Mahitsy ambony, kaominina Ambohitrimanjaka, izy. Raha ny fanazavana voaray hatrany, tahotra ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka ny antony nahatonga azy nandositra.
Marihina fa mamo ity mpamily, vao 30 taona, nitondra ilay fiara nahavanon-doza ity. Efa natao andrimaso eny amin’ny mpitandro filaminana izy taorian’izay. Avy nanatitra mpianatra sy nividy sakafon-kisoa kosa ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy. Naka ny razana teny an-toerana sy nitondra izany teny amin’ny tranom-paty HJRA ny avy amin’ny BMH.
Mino




