Tovolahy iray manodidina ny 22 taona hita faty tao an-trano fonenany, ao amin’ny fokontany Miarina Talata, Andraikiba, disitrika Antsirabe, omaly maraina. Tsy hitan’ny olona teny amin’ny manodidina. Nivoaka ny trano mihitsy izy io nanomboka ny alarobia 12 novambra 2025 lasa teo. Nihidy foana ny trano fonenany nandritra ny tontolo andro. Nanapa-kevitra ny hamoha sy hanapitsoka ny varavaran’ilay trano ny fokonolona, niaraka tamin’ny sefo fokontany. Hagagana sy hatairana ny an’ny rehetra fa vatana efa mangatsiaka tsy nisy aina intsony no hita teo ambony fandriana. Efa simba sy namoaka fofona ny razana, nahitana mangana sy naratra teo amin’ny lohany.
Mpianatra ao amin’ny Oniversite tsy miankina iray ao Antsirabe ity tovolahy namoy ny ainy ity. Mipetra-drery sy manofa trano any amin’ny fokontany Miarina Talata ny tenany.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Tonga naka ny razana teny an-toerana ny avy amin’ny BMH. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahafatesan’ity tovolahy ity. Tsy fantatra ihany koa ny olona heverina ho nahavanon-doza namono azy. Efa misahana ny fanadihadiana kosa ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Mino




