Namono zazavavy 7 taona : Roa lahy voasazy higadra mandra-pahafaty

Nahazo didy avy amin’ny fitsarana heloka bevava ao Fianarantsoa hisazy asa an-terivozona mandra-pahafaty ireo roa lahy namono nahafaty an’i Miley kely, omaly. Voa­sam­botra ny 17 novambra 2024 lasa teo ny olona miisa telo voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’io vonoan’olona mahatsiravina, tao atsimon’ny Lysea Raherivelo Rama­mon­jy, ao Fianarantsoa, io. Ni­fam­pitadiavan’ny fianakaviany io zazavavy vao 7 taona mon­ja, atao hoe Miley, io tamin’izany fotoana. Novo­noin’ireo tsy ma­taho-tody anefa izy. Nafa­tra­tr’izy ireo tao anaty gonin-tsaribao. Manga­na ny ankamaroan’ny faritra saro-pady tamin’ilay zaza. Voamarin’ny mpitsabo fa niharan’ny herisetra tanteraka ny lasibatra. Ni­­roso tamin’ny fitoriana izay noheveriny ho na­havanon-doza ny fianakavian’ity farany. Nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Vo­ka­ny, olona telo voasambotra avy hatrany, herinandro vitsy taorian’ny nahitana ny vatana mangatsiakan’i Miley. Nentina teo anatrehan’ny fampanoavana ireo olona ireo. Voata­zona vonjimaika am-ponja ka nalefa teny Tsiafahy ny roa. Ni­voaka ny didim-pitsarana ary izao miafara amin’ny fanagadrana azy ireo mandra-pahafaty izao.

Tsiferana R.

Partager sur: