Tsy araka ilay lisitra navoakan’i Corentin Martins ny zava-misy eo anivon’ny Barean’i Madagasikara. Miova hatrany ny anaran’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalao hifanandrinana amin’i Guinée Equatoriale.
Araka ny tati-baovao avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, misy fiovana ny firafitry ny mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara, hidona amin’i Guinée Equatoriale. Fihaonana hotanterahina ny alatsinainy 17 novambra ho avy izao, any Antalya, Turquie.
Fantatra mantsy fa mpilalao telo mirahalahy no maratra ka tsy ho avy hanatrika ny lalao. Anisan’izany i Andy Pelmard sy i Waren Caddy ary i El Hadary. Ankoatra azy ireo, tsy ho anisan’ireo ho tonga any an-toerana koa Rakotoharimalala Njiva, izay manana olana amin’ny
pasipaorony. Manoloana ireo tranga ireo, tsy maintsy naka fanapahan-kevitra vonjimaika ny mpanazatra Corentin Martins, ka niantso an’i Fenohasina Gilles hisolo ny toeran’i Njiva. Nanainga omaly ihany koa i Tony, mpilalaon’ny Elgeco Plus, hanolo an’i Andy Pelmard.
Andrasana izay mety haka ny toeran’i El Hadary sy i Waren Caddy, na ho mpilalao avy eto an-toerana na ireo milalao any Eoropa. Ho fahabangana goavana ny tsy fisian’i El Hadary sy i Caddy, lohalaharana sy mpampidi-baolina. Mbola mampiahiahy ny maro koa ny toe-batan’ireo mpilalao avy eto an-toerana noho ny tsy fisian’ny fifaninanana amin’izao fotoana izao.
Raha tsy misy ny fiovana, tokony ho tafavory omaly hariva avokoa ireo mpilalao rehetra nantsoina ary hiatrika avy hatrany ny fanazaran-tena miaraka. Tsiahivina fa 23 mirahalahy ireo mpilalao nantsoin’i Corentin Martins hiatrika ity lalao tsapa amin’i Guinée Equatoriale ity. Tsy misy ireo vaovao ao anatin’izany, fa telo no naverina ka anisan’ireny i Thomas Fontaine sy i Acapandié ary i Hakim Abdallah.
Tompondaka




