« African Parkour Tour »: Ny « Fahazavana» an’ny Tra­ceur Gasy tany Maorisy

Notanterahina tany Maorisy, ny 7 sy 8 novambra lasa teo, ny fampisehoana sy fifampizarana nataon’ny fikambanana Tra­ceur Gasy, eo amin’ny taranja Parkour. Fampisehoana mitondra ny lohateny hoe “Fahazavana” no nentin’izy ireo, nahitana an’i Faliniaina Antonio, Ranaivomanana Serge ary Ranaivo­manana Toky. Tamin’ny alalan’ny “Théâtre physi­que” sy “poésie urbaine” no nanehoan’izy telo lahy ny fampisehoana, nampisongadinana an’i Madagasikara. Nambaran’i Faliniaina Anto­nio fa zava-dehibe ny namoronana ity seho ity niaraka tamin’ireo namany mba hahafahana mitantara amin’ny alalan’ny zavakanto sy fihetsika ny zava-misy iainan’ny tanora eto Ma­daga­sikara. «Ny fampisehoana Fahazavana izay mampiseho ny fa­nantenana andrandrain’ny tanora manoloana ny haizina misy», hoy hatrany ny fanazavany. Mariky ny fandrosoan’ny Tra­ceur Gasy sy ny taranja Parkour malagasy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ity seho natao tatsy Maorisy ity. Na­nampy ireto tanora ireto tamin’ny famolavolana ity seho ity ny teknisiana, i Grandjean Thibeau, sy ireo artista maro tany an-toerana.

Mi.Raz

Partager sur: