Tsipy kanetibe : Lasa mpilaravinahitra any ivelany ry Yves sy Zigle

Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Sooatel 67 Ha, ny la­nonana fanolorana fankasitrahana an’ireo mpilalao tsipy ka­netibe, izay nitondra avo ny ekipam-pirenena malagasy ta­min’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Teo koa ireo mpilalao nahazo vo­katra tsara tamin’ny fifaninanam-pirenena. Fantatra, nandritra io lanonana io, fa handeha hilaravinahitra any ivelany, any Frantsa, ry Yves sy Zigle. Ao amin’ny klioba Decines izy mirahalahy no hilalao raha ny fanadihadiana natao. Mahari­tra efa-taona eo ny fifanarahan’ny klioba amin’izy roa lahy ireto. Efa eo am-pikarakarana ilay taratasy handehanana any ivelany izy ireo, ankehitriny. Ankoatra izay, nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny FSBM, omaly, fa iantohan’izy ireo ny fandehanan’ny Mala­gasy mpilalao any Mauritanie, firenena mandray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny 23 hatramin’ny 28 novambra ho avy izao. Ny ekipan’ny Pac Ampitatafika, ahitana an-dry Balôty sy Saholy ary Mamy Ronaldinho no hiaro ny voninahi-pirenena mandritra io fifanintsanana io. Marihina fa nanolotra vola 39 tapitrisa Ariary ho an’ireo Malagasy mpilalao sy ny staff nitondra avo ny voninahi-pirenena tany ivelany tamin’ity, ny orinasa Yas Madagascar.

Fitia Randria

Partager sur: