Naharitra roa andro ny fiofanana mahakasika ny fihainoana sy ny fandraisana an-tanana ny mpiasa nifindra monina niharan’ny herisetra ka niverina an-tanindrazana, natao teny Anosy, tamin’ity herinandro ity.
Anisan’ireo tena iharan’izany sy fantatry ny maro ireo vehivavy mpilaravinahitra any amin’ny tany arabo toy ny any Koweit. Misy very saina tanteraka mihitsy izy ireny. Ireo afa-nitsoaka nanavotra aina kosa dia voadona ara-tsaina ka mila fanarenana sy fihainoana.
Maro ny antony mahatonga ny herisetra fa anisany ny tsy fifankahazoana resaka satria tsy mifankahay fiteny. Misy koa milaza fa mafy ny asa ary tena mihatra aman’aina ka lasa herisetra ny fanerena hanatanteraka izany.
Tsy nazava hatrany am-boalohany ny famaritana ny asa ho atao ka mahatonga ny fifamaliana na miafara amin’ny herisetra.
Teo ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny Filaminam-bahoaka, ny Asa ary ny sendikàn’ny mpiasa nandray anjara tamin’ny atrikasa. Samy manana anjara amin’ny fandraisana an-tanana ireo mpiasa niharan’ny herisetra avy any amin’ny firenen-kafa na nody eto an-tanindrazana avokoa ireo.
Nandray anjara ireo inspecteurs sy mpanara-maso asa miisa 10 voakasika amin’ny fihainoana sy ny fandraisana an-tanana ny mpiasa nifindra monina raha sendra olana goavana amin’ny tontolon’ny asa.
Tatiana A




