Karate-«Open de Saint Denis» : Tompondaka i Fano­mezantsoa Lauryne

Tontosa tany La Réunion, ny herinandro lasa teo, ny fia­diana ny amboaran’ny Karate Saint Denis, na “Open de Saint Denis”. Solontenan’ny Malagasy, nitondra ny anaran’ny klioban’ny Akka Avaradrano, i Fanomezantsoa Lauryne, izay mianatra ao Saint Pierre. Tsara ny vokatra ho azy satria voahosotra ho tompon­daka tamin’ity fifaninanana ity i Lauryne, teo amin’ny sokajy
latsaky ny 68 kg, Senior. I Lau YuKam Cassandra, avy amin’ny klioban’ny Port Mathurin Rodrigues, no nifanandrina tamin’i Lauryne teo amin’ny famaranana. Talohan’izao fifaninanana izao, nanao “Match test” tamin’ilay tompondakan’i Frantsa, laharana faha-36 maneran-tany, i Sydney Yvon, ity Malagasy mpikatroka milaravinahitra any ivelany ity. Marihina fa efa tompon­dakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy Junior, latsaky ny 58 kg, ny taona 2025, i Fanomezantsoa Lauryne. Tsiahivina fa teo amin’ ny 250 teo no nifaninana teo amin’ny Kata, raha toa ka maherin’ ny 150 ny nifaninana teo amin’ny Kumite, nandritra ity fifaninanana “Open de Saint Denis” natao tany La Réunion, ny herinandro lasa teo, ity. Anisan’ny nandray anjara ny karatékas avy any Mayottes izay nahitana mpikatroka teo amin’ny 15 teo, toraka izany koa i Marseilles.

Mi.Raz

Partager sur: