Tsimbazaza : Ankizilahy fito taona, novonoina sy natsipy tao anaty lakandrano

Narian’ireo tsy mataho-tody tao anaty lakandrano iray tetsy Tsarafaritra Tsimbazaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja. Nahitana diam-pamaky miisa dimy tao amin’ny faritry ny lohany aoriana.

Hita faty tao anaty lakandrano iray, tetsy Tsara­faritra Tsimba­zaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja, ny alin’ny zoma mankany amin’ny sa­botsy tokony ho 12 ora sy sa­sany teo. Novonoina ta­min’ny fomba feno habibiana ary n­tsipy sy nasitrika tao anaty lakandrano ny razana. « Na­tsingolika ary nataon’ireo tsy mataho-tody ambany ny lo­hany”, hoy ny fanazavan’i Solo, mpiara-monina niara-nikaroka ny razana. Tsy fantatra mazava ny anton’ny famonoana fa heverina ho valifaty na hetraketraka ny anton’ny famonoana. Ny alakamisy teo ny andro nankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’io zaza maty io. Ny zoma hariva tamin’ny 5 ora sy sasany, tsy hita popoka i Miguel rehefa hampandro azy ny reniny. Raha ny fanazavana voaray, niara-nilalao tamin’ny ankizy namany teo an-tokotany izy talohan’io. Natao ny fikaro­hana azy nanomboka teo, ni­fampizara ny mpiara-monina. Natao ny filazana fikarohana tamin’ny tambajotra an-tserasera sy tany amin’ny polisy. Tamin’ny 12 ora sy sasany alina vao hita ny razana. Ny dadany avy niasa alina no nisisika mbola hikarohana izany. Hita teo amin’ny lalana ny ilana kapan’ilay zaza. No­tohizana ny dia ary hita tao anaty lakandrano efa nitsin­golika i Miguel. Efa hatratra tanteraka ny razana nefa tsy nahitana ra ny toerana nahi­tana azy. « Novonoina tany an-kafa ary narian’ireo tsy mataho-tody », hoy hatrany ny fanazavana.

Mamakely novonoina
Ankoatra izay, novonoin’ ny olona ilay renikelin’i Miguel. Nisy nanendrikendrika ho nanao ny famonoana ny ma­makelin’io zaza maty io ta­min’ny zoma alina. Ity farany izay miara-monina sy miray vodirindrina amin’ny renin’ny zaza. Narovan’ny fokonolona izany mba hitadiavana ny ma­rina amin’ny raharaha. Ana­nan’ny fianakaviana ahiahy moa io renikelin’ny zaza maty sy ny anadahiny, raha ny fa­nazavana voaray.
Efa noentina nozahana teny amin’ny hopitaly HJRA ny razana. Efa eo am-pelantan’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny Brigade criminelle Anosy kosa ny tohin’ny fanadihadiana. Efa nisy ny fihainoana sy fakana am-bavany ireo olona maromaro.

Mino

Partager sur: