Nihaona tamin’ny mpitandro filaminana sy ny sampan-draharahan’ny fananan-tany tao Tangorona, ireo vondron’ olona milaza fa tompon-tany ara-dalàna any Antsihanaka, ny Alakamisy lasa teo. Nanamarina ampahibemaso ny tomponandraikitra fa izay manana taratasy ara-dalàna (bokin-tany na kara-tany) ihany no tompony sy afaka mamboly ary mioty ny vokatra aminy. ” Midika izany fa manan-kery avokoa ny didim-pitsarana nivoaka miaro ny zon’ny tompon-tany”, raha ny nambaran’izy ireo hatrany. Manoloana izany, mijoro ny vaomiera iraisana hanara-maso sy hanampy amin’ny fampiharana ny didim-pitsarana. Hiaro ireo tompon-tany ara-dalàna sy ny voly eny an-tsaha. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ireto milaza fa tompon-tany mba hanamafy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny vaomiera tany an-toerana. Hatreto tsy mbola handrenesam-peo ny avy amin’ny andaniny. Handrasana ny fanehoan-kevitra avy amin’izy ireo
Mino




