Nitrangana haintrano namoizana aina indray tetsy amin’ny Cité Tanambao Andavamamba, Andavamamba Anjezika II, boriborintany voalohany, omaly maraina tamin’ny 10 ora latsaka fahfany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny lehilahy iray, manodidina ny 50 taona. Raha ny fanazavana voaray amin’ny mponina manodidina, mipetra-drery io rangahy maty io. Trano biriky nahitana efitra iray no niaingan’ny afo. Tery ny varavarana nivoahana ny trano, niezaka namono ny afo tao anatiny izy no tsy tafavoaka ka sempotra tao ary izao maty izao.
Trano biriky efitra iray no may kilan’ny afo tamin’izany. Nandritra ny fizahana ny tao anaty trano, vatana mangatsiaka may kilan’ny afo, teo amin’ny sisim-pandriana no hita. Tsy nanao akanjo amboniny sy natory nihohaka. Ankoatra izay, mbola nandeha ihany koa ny rano tao an-trano. Fitaovana informatika maro ihany koa no simba. Tsy fantatra mazava ny anton’ny loza, fa heverina ho fifampikasohan’ny herinaratra no nihavian’ny firehetana.
Tonga teny an-toerana ny polisy avy amin’ny CSP4 Isotry, nijery ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana taorian’ny antso vonjy nataon’ny sefo fokontany teny an-toerana. Nigadona teny an-toerana ihany koa ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina tamin’ny 11 ora latsaka 10. Voafehy tanteraka ny afo teo amin’ ny 12 ora latsaka fahefany teo. Naka ny razana sy nitondra izany eny amin’ny tranopatin’ny HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH tamin’ny 12 ora sy fahatelony atoandro.
Mino




