Fampianarana sy Seces : Hiara-hanarina ny fampianarana ambony

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana aratsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy ny birao nasionalin’ny sendikàn’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra (Seces) notarihin’ny filohany, Dr Randriamialinoro Faliarivony ny herinandro lasa teo . Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministera sy ny sendikà ho fanarenana sy fanatsarana ny sehatry ny fampianarana ambony.
Nanamafy ny andraikiny amin’ny fanabeazana sy fanofanana ny taranaka ny Seces na eo aza ny zava-tsarotra iai­nan’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra.
Mitodika amin’ny fanatsarana ny rafitra sy ny tontolon’ny fampianarana ambony ny fiaraha-mientana. Tafiditra amin’ izany ny hamerenana ny hasin’ny fampianarana ambony, ho reharehan’ny vahoaka malagasy. Voalaza fa hanamafisana ny fiombonana sy ny fifampitokisana, eo amin’ny Ministera sy ny Seces. Hojerena manokana ny hanatsarana ny andinin­dininy amin’ny fandraisana mpampianatra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ary farany ny hanatanterahana taom-pianarana mirindra sy mahomby.

Vonjy

Partager sur: