Mbolatiana Raveloarimisa: Notolorana ny mari-boninahitra ambony

Nampiakarin’ny Repoblika Frantsay amin’ny laharam-boninahitra ambony, Cheva­lier de l’Ordre national du Mérite, Raveloarimisa Mbola­tiana, mafana fo amin’ny fiarovana ny zon’olombelona.
Tamin’ny alalan’ny masoivoho frantsay, Arnaud Gu­lois, no nanomezam-boninahitra azy amin’ny maha vehivavy feno fanoloran-tena sy be herim-po ary mitolona tsy tapaka amin’ny fitakiana ny fanajana ny maha olombe­lona.
Nahafantarana ity renim-pianakaviana ity ny nananganany ny fikambanana Autisme Madagascar tany amin’ny taona 2012, teny amin’ny tambazotra sosialy, izay niitatra sy nahafahana nizara traikefa ho an’ireo manana zanaka hafakely. Tonga ho foibe misa­hana manokana ny ankizy hafakely mihitsy izany ankehitriny.
Nafana fo tamin’ny hetsiky ny Gen Z nandritra ny tolona farany teto amin’ny firenena ihany koa izy ka nankasitra­han’ny masoivoho frantsay izany.
Anisan’ny mpamorona ny hetsika Nifin’Akanga izay nanao tolo-dalàna amin’ny fampitsaharana ny vohoka mety hitera-doza ihany koa ny tenany. Mijoro hatrany amin’ ny hetsika ho amin’ny fahasamihafana izy mba hivondro­nan’ireo fianakaviana manana fahasembanana ary hanampy amin’ny fiarovana ireo olona varira. Noporofoiny nandritra ny fandraisany fitenenana ihany koa ny ezaka ataony amin’ny fianarana teny tanana mba hahafantaran’ireo olona manana olana amin’ny fandrenesana mahafantatra izay rehetra tsara ho fantatra.

Tatiana A

Partager sur: