Nanolotra fanampiana vokatry ny téléthon, izay nokarakarainy ny fikambanana Association Femme Antesaka pour le Changement (Facha). Naterina teny amin’ny BNGRC izany, izay rafi-panjakana tokana misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindony ary ny fandrindrana ireo hetsika fanampiana amin’ny vonjy voina. Maro karazany ireo fanampiana voaangona nahitana fitaovana fampiasa an-dakozia, akanjo fitafy ary sakafo.
Tontosa ny 15 novambra lasa teo, tany Beijing China, ny fanolorana sy filazana amin’ny fomba ofisialy ny maha Institut Confucius Mahaleo tena azy ny Institut Confucius Fianarantsoa – Madagascar. Niova ihany koa ny anarany ary lasa Institut Confucius d’enseignement professionnel et technique de l’université de Fianarantsoa. Ny coordonnateur Pr Rabearisoa Andry Harinaina no nandray izany niaraka tamin’ny Chinese International Education Foundation ary ny mpiara-miasa vaovao Jiujiang University ary ny Jiangxi University of Science and Technology.
Mitarazoka ny fanomezana ny « permis de conduire biométrique » manerana ny Nosy. Nanomboka ny taona 2016 no ho mankaty, olona 100 hatramin’izao no nahazo permis biométrique ao Morondava. Vokatr’izay, nodoran’ny olona ny auto école satria heverin’izy ireo fa misoloky ny mpianatra fotsiny fa tsy mahazo permis izy ireo rehefa afaka fanadinana. Ny antsasaky ny auto école tao an-toerana no may avokoa, hoy ny Secom Toliara. Ao Toliara indray, certificat de capacité provosoire avokoa no azon’ny tanora nefa tsy eken’ny mpampiasa. Any Taolaganro tsy mbola nisy olona nahazo mihitsy hatramin’izao.




