Na dia tsy notohanana aza, nitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy ihany, ry Rado sy Maurice. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja « Bodybuilding », i Rado, faharoa kosa i Maurice.
Nisongadina indray ny atleta malagasy! Nandrombaka medaly roa, volamena sy volafotsy, ny solontenan’i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, « World Bodybuilding & Physique Sports Federation » (WBPF), izay natao tany Batam, Indonezia, ny faran’ny herinandro teo. Rakotomandimby Rado, sokajy 80–85 kg, nibata ny medaly volamena, ary lasany indray ny anaram-boninahitra maha tompondaka maneran-tany azy amin’ity fifaninanana ity.
Nandritra ny fampisehana ny bika mifono hozatra nataony, nahatalanjona ireo mpitsara ny fahaiza-manao teny ambony sehatra ka io no nampiakatra azy teo an-tampony. Tetsy ankilany, i Maurice Marinjara, sokajy « Classic Physique » ho an’ny olona mirefy latsaky ny 1 m sy 75, dia nandrombaka ny medaly volafotsy.
Nianto-tena, tsy nisy nanampy …
Na dia natao toy ny « zanak’i kiala hafa » aza izy mirahalahy, nitondra medaly ho an’ny tanindrazana ireto, niezaka nampiseho ny maha izy azy ihany izy ireo. Nomarihan-dry zareo teo ampiangana mantsy fa tsy nisy ny fanohanana avy amin’ny minisitera mpiahy, fa nianto-tena izy roa lahy. Mametra-panontaniana ihany ny mpanara-baovao, hoe : « maninona no tsy nanampy ny fanjakana tamin’ity fifaninanana maneran-tany ity? Etsy ankilany, izy ireo izay milaza fa tsy hanavaka ireo taranja misy eto Madagasikara ». Tsy afaka nandeha nanaraka azy mirahalahy moa ny federasionina noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana.
Porofo hita tsara izao, fa efa miroborobo ny taranja Bodybuilding eto Madagasikara, ary miezaka hatrany mampiakatra avo ny voninahi-pirenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, na eo aza ny tsy fanohanana an-dry zareo.
Fitia Randria




