Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 novambra ho avy izao, eto an-dRenivohitra, ny hazakazaka mitety vohitra sy natiora, « Ultra Trek des Collines Sacrées (UTCS) ». Hetsika lehibe izay karakarain’
ny Ortana izy ity. Imasoana ny hampiroboroboana ny fizahantany maharitra sy ny Fanatanjahantena eto Analamanga. Hampiavaka an’ity andiany ity, ny « Kilonga Trail (2,76 km) », natokana ho an’ ny ankizy 10 taona miakatra. Tanjona ny hisarika azy ireo amin’ny soatoavin’ny fanatanjahantena sy ny fiahiana ny tontolo iainana.
Ankoatra azy io, misy ihany koa ny « Trail Découverte Ambohitsimeloka (5,14 km) », natokana ho an’ny fianakavana sy ireo vao hanomboka amin’ny tontolon’ny hazakzaka trail, mba hahafahany mahazo traikefa maro amin’ izany.
Ampahafantarina ihany fa mbola misy hatrany ireo fifanintsanana natao ho an’ireo efa sangany amin’ity hazakazaka mitety vohitra sy natiora ity. Anisan’izany ny « Ultra Tour », izay mirefy 127,5 km. Raha ny fanazavana azo omaly, maro ireo teratany vahiny eto amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina handray anjara amin’ity andiany manaraka ity.
Fitia Randria




