Mirongatra indray ny fanolanana. Zazavavikely vao 9 taona sy 13 taona no lasibatry ny raikeliny. Mahazo vahana ny fifamotorana. Andrasana ny fampiharana ny lalàna.
Mitady hahazo vahana indray ny fanolanana ankizy sy tovovavikely amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny herinandro, olona efatra no naiditra am-ponja. Ny tena zava-doza, ny ray aman-dreny ihany no matetika, mpiray tsikombakomba mampifamototra amin’ny zanaka. Tranga iray nampivarahontsana ny nafitsoky ny rain’ireo zazavavikely miisa roa teny Miarinarivo. Nanamparan-drainy ny filan-dratsy ny zaza vao 8 sy 10 taona. Ninia nangina sy niray tsikombakomba tamin’ity farany ny reny niteraka azy ireo.
Lehilahy iray kosa no naiditra vonjimaika am-ponja, afakomaly. Nanamparany ny filan-dratsiny avokoa ny zana-badiny miisa roa izay samy tsy ampy taona, tao amin’ny kaominina Firavahana, distrikan’i Fenoarivobe. Tsy salama ny renin’izy ireo, ka nohararaotin’ity raim-pianakaviana ity ny ankizy. Ny iray nentina tany am-patsakana, avy eo mbola novetavetainy mandrak’alina. Ny iray hafa tao an-trano ihany, ny alin’ny 14 novambra ihany koa. Nitaraina tamin-dreniny izy ireo. Nandeha ny fanadihadiana ka voasambotra ilay raim-pianakaviana.
Sazy hentitra
Ankoatra ireo, maro ny fitarainana voaray eny anivon’ny mpitandro filaminana momba ny fanolanana. Manginy fotsiny ny tranga fanontsanana miseho eny amin’ny tambajotran-tserasera. Vao tsy ela akory fa tamin’ny herinandro lasa teo, nisy tovovavy niharan’ny fanolanana tambabe, nataon’andian-jatovo teny Andraisoro. Ny 5 novambra teny Anosibe. Ny 22 oktobra tany Ampefy. Tany Anjozorobe, ny 5 oktobra. Santiony ireo fa maro ny trangam-piarahamonina tsy fantatra sy tsy hay miseholany any ambadimbadika any.
Manoloana ireo tranga ireo, andrasana ny fampiharana ny lalàna. Manararaotra ny tetezamita koa ny mpanao ratsy, mihevitra ny ho gaboraraka sy fanjakan’ny baroa. Mila mihenjana, araka ny baikom-pitolomana amin’ny tsy hisian’ny tsimatimanota intsony. Andrasan’ny ray aman-drenin’ireo lasibatra ny famosirana izay mahavanon-doza. Na mbola mampisalasala aza ny fanatanterahana azy noho ny tsy fankasitrahan’ny mpiaro ny zon’olombelona izany.
Tsiferana R.




