Nivoaka omaly, teny anivon’ny fitsarana Anosy, ny didy momba ny mpamily fiara Mazda nandona ka nahafaty olona roa nitaingina moto teny Andraharo, ny 26 janoary lasa teo. Nampiaka-peo ny fianakavian’ireo namoy ny ainy tamin’io fotoana io, taorian’ny didim-pitsarana nivoaka. Nosazian’ny fitsarana higadra herintaona sazy mihantona ny mpamilin’ny fiara nahavanon-doza. Tsy afapo tamin’io fanapahan-kevitry ny mpitsara io, araka izany, ny fianakavian’ny maty. Raha tsiahivina, roa lahy mpiasa amin’ny haino aman-jery malaza eto Antananarivo Renivohitra nandeha moto. Nodomin’ny fiara Mazda izay nifanoha-dalana taminy izy ireo. Naratra mafy ka maty teo no ho eo ny iray. Nifamonjen’ny nanatri-maso ka nentina teny anivon’ny hopitaly kosa ny namany, saingy tsy tana koa ny ain’ity farany. Potika tanteraka ny moto nentin’ireo roa lahy ary simba ny lohan’ny fiara nandona.
Tsiferana R.




