Olona 15 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany amin’ny fokontany Analovana, kaominina ambanivohitr’i Fanambana, distrikan’i Vohemar, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra telo ireo olona maty vokatr’izany, hatramin’izao, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. 12 ireo mbola manaraka fitsaboana any anivon’ny hopitaly Salfa. Raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana, nihinana antsantsa izy ireo, antony nahatonga izao loza izao. Samy narary an-doha, fanina, nivalana sy nandoa avy ny fisehoan’ny aretina teo amin’ny tsirairay, taorian’ny fihinana io hazandranomasina io.
Tsiahivina fa haza nentin’ ny mpanjono tany Vohemar, ny alahady lasa teo, ilay antsantsa. Samy naka tamin’izany hatao laoka avokoa ny ankamaroan’ny olona any an-toerana. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny tomponandraiki-panjakana, taorian’ny fahenoana ny tranga. Natao ny fanaraha-maso satria tsy mbola nahazoana alalana ny fihinana izany hazan-dranomasina izany. Mbola tratra teo am-pitetehana sy teo am-piketrehana izany moa ny ankamaroan’ny mponina. Nanapa-kevitra ny handevina io hazandranomasina io ny tomponandraikitra, mba hisorohana ny loza hafa indray. Efa nisy ampahany tamin’ny nofon-trondro no nalaina natao fitiliana, hahafantarana ny poizina ao aminy ka niteraka ny aretina sy fahafatesana teo amin’ireo olona nihinana azy. Hahafahana manohy ny fitsaboana ho an’ireo olona marary ihany koa.
Mino




