Olona roa namoy ny ainy teny amin’ny RN7 noho ny lozam-pifamoivoizana. Fiara 4*4 iray nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka teo Ampitatafika, Antanifotsy, omaly maraina. Avy aty Antananarivo hihazo an’Ambatolampy ilay fiara fitateram-bahoaka. Niditra ny lalana somary miholaka ny roa tonta, tsy nifankahita ka izao nifandona izao. Maty tsy tra-drano ny mpandeha iray tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalana. Maty ihany koa ny mpamilin’ny fiara fitateram-bahoaka.
Tovolahy iray antsoina hoe: Varane, namoy ny ainy notsindromin’ny namany tamin’ny antsy tany Andapa, omaly hariva. Niditra toeram-pisotroana izy sy io tovolahy namany io. Nisy fifamaliana teo amin’izy roa ka niafara tamin’ny fanindromana antsy. Nandositra ilay nahavanon-doza taorian’ny asa ratsy nataony. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary karohina ilay tompon’antoka.
Mpitondra moto iray ihany koa namoy ny ainy nidona tamin’ny fiarabe mpitatitra solika tany amin’ny fokontany sy kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan’ Antanifotsy afakomaly tolakandro. Avy any Antsirabe, hihazo an’Ambatolampy ilay mpitondra moto. Nandeha mafy tamin’ny lalana mahitsy izy ary nifanena tampoka tamin’ilay fiarabe. Nibolisatra izy ary tsy tafajanona raha tsy nifatratra tao amin’ny lohan’ilay fiara.
Lehilahy iray namoy ny ainy, voafelaka ary notatazan’ny beton tany Mahanoro, omaly. Nangataka sigara tamin’ny lehilahy iray, voalaza fa mpitandro filaminana tsy am-perinasa izy. Tsy nanome ity farany sady nofelahiny sy natosiny ilay mpangataka ka nianjera. Notatazan’ny beton ny lohany. Nentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Mitaky ny rariny mahakasika io raharaha io ny havan’ny maty.




