Miandrandra fanatsarana ny vidin’ny lavanila ireo mpisehatra taorian’ny fanafoanan’i Etazonia ny haba 15% amin’ity vokatra ity ka hamerenana amin’ny laoniny ny tanjaky ny lavanila malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Ny alahady teo, nanazava ny antony nampiiba ny vidim-bokatra ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM), tao amin’ny fahitalavi-pirenena. Nilaza izy fa nandritra ny fotoan’ny valanaretina Covid-19 no nampidina ny vidin’io vokatra io. «Nanana tahiry avokoa ny ankamaroan’ny firenena. Betsaka, araka izany, ny tolotra raha nihena kosa ny tinady», hoy ny fanazavany. Teo aloha, nisy ny Filankevitra nasionaly momba ny lavanila (CNV) nandinika sy nametraka paikady hanatsarana ny vidin’ny lavanila saingy tsy nampiasaina araka ny tokony ho izy izany. Tao anatin’izay, nangalana 4 dolara isaky ny kilao ny lavanila naondran’ireo mpandraharaha. “Ankehitriny, amina tapitrisa maro ny vola voaangona, antony nahatonga ny fitondram-panjakana amin’izao nampiato ny fakàna io haba io amin’ireo mpandraharaha. Tanjona, araka izany, ny hamerenana amin’ny laoniny ny CNV ka ahafahana mampiakatra indray ny vidin’ny lavanila”, hoy hatrany ny kolonely.
Havaozina
Andro vitsy lasa izay, nisy ny fihaonambe niarahan’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama sy ireo mpisehatra rehetra, teny Mahazoarivo, nandinihina ity vokatra fanondrantsika ity. Voaresaka ny momba ny vola fanampiana amin’ny fanondranana, ny fahatarana amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy ara-panjakana ary ny olana mahakasika ny taratasy fahazoan-dalana sy fanondranana. Ilaina, hoy ny rehetra, ny fanavaozana tanteraka ny sehatra, hampitomboana ny mangarahara, hanatsarana ny kalitao. Nivoitra tao anatin’izay ny fandraisana andraikitra iombonan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Nifanaiky, araka izany, ny mpandray anjara ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny fitantanany sy ny vokatry ny asa nataon’ny CNV. Nandrosoana soso-kevitra hanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy ihany koa ny rehetra. Tanjona ny hiantohana ny fitsinjarana ara-drariny ny tombontsoa ho an’ireo mpisehatra.
Henintsoa




