Orange Madagascar : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka

Notanterahina ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny Gara Soarano, ny hetsika “Supplier Day”, andiany faharoa. Fo­toan-dehibe ihaonan’ny Oran­ge Ma­dagascar amin’ireo mpi­ara-mi­ombon’antoka aminy manodidina ny 200. Tanjona iombonana ny hanamafy ny fifandraisana, hifampizara traikefa ary hanatratra miaraka ny vina apetraky ny Orange Madagascar. Mpi­ara-miombon’antoka stratejika ho an’ny orinasa ireo mpiara-miasa aminy noho izy mandray anjara mivantana amin’ny fa­hombiazan’ny tetikasa sy ny ka­litaon’ny tolotra omena ny mpanjifa. Manaja ny soatovina sy zon’olombelona manome lanja ny tontolo iainana ny politika apetraky ny Orange Ma­dagascar.
Misy, araka izany, ny tombana ataony hanaraha-maso raha manaja ny fandraisan’andraikitra sosialy sy tontolo iainana (RSE) ireo mpiara-mi­ombon’antoka aminy. « Ome­na lanja manokana ny fampivoarana, ny kalitaon’ny asa hiatrehana ireo fanamby ara-teknolojika sy ara-toekare­na », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagas­car, Aminata Ndiaye Niang. Ma­rihina fa sehatra ifanakalozan-kevitra ahafahan’ny Oran­ge Mada­gas­car sy ny mpiara-miombon’antoka miara-manome va­haolana iraisana hampahomby ny fiaraha-miasa ny “Sup­plier Day”. « Manamafy ny fiaraha-miasa maharitra amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fifampitokisana sy ny mangarahara ao anatin’ny politikan’ny fandraisan’andraikitra », hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar.

Henintsoa

Partager sur: