Omena sehatra hiteny ny tanora mandritra ny fihaonana hatao eny amin’ny QG Ankorondrano, amin’ity herinandro ity.
Ao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Ambohijatovo, varavarana faha-3, ny fisoratana anarana ho an’ireo tanora maniry ny handray anjara amin’ny fanehoan-kevitra mahakasika ny politikam-pirenena ho an’ny tanora. Hetsika iarahana amin’ny fanjakana izy ity. Nanomboka omaly hatramin’ny 20 novambra izao no handraisana ny anaran’ireo vonona amin’izany.
Hotanterahina ny 21 novambra kosa, ao amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny fivoriana voalohany. Ireo fikambanana sy vondron’ny tanora rehetra maniry ny hitondra ny hevi-pampandrosoana no misoratra anarana. Fakan-kevitra ho fanavaozana ny politikam-pirenena ho an’ny tanora no hatao amin’izany. Samy mivonona amin’ireo tolo-kevitra mafonja sy mitondra fampandrosoana ho an’ ny tanora ny rehetra.
Maro ireo tanora maniry sy miandry fatratra ity fotoana ity, indrindra ireo nahatsiaro ho voailikilika teo aloha. Eo indrindra koa ireo tanora avara-pianarana manana hevitra tsara kanefa nodian-tsy hita sy natao ankilabao.
Etsy andaniny, fotoana ahafahan’ireo tanora any amin’ny faritra izay manana ny hetahetany amin’ny fampandrosoana ka te handray anjara mavitrika amin’ny fihaonana ny hetsika.
Fihaonana voalohany no hatao, araka ny voalazan’ny minisitera. Heverina ny hisian’ ny fakan-kevitra nasionaly mba handrenesana ny feon’ny rehetra, mifanaraka indrindra amin’ny filàna isam-paritra.
Tanora no hoavin’ny firenena ary mendrika ny homena sehatra sy fahalalahana miteny. Mendrika ny ho tohanana ihany koa ho andry iankinan’ny firenena rahatrizay.
Tatiana A




