Fanohanana ara-tsaina : Misy hetsika maimaimpoana ho an’ny tanora

Maro ireo mpanaraka ny pejin’ny fikambanana Psy-kô­zy Madagascar amin’ny tambajotra sosialy. Nangataka izy ireo ary naniry tolotra fizahana sy fanohanana ara-tsaina maimaimpoana miaraka amin’ny psychologue, natokana ho an’ ireo olona miaina fahaketrahana ara-tsaina. Ao anatin’ny fankalazana ny fa­hadimy taona niorenan’ny fi­kambana­na, hanokana fotoana hanomezana fahafaham-po ireo nangataka ny mpikambana. Misy fepetra takina anefa ha­hafahana misitraka izany, raha ny fanazavana. Ho an’ny tanora, lahy na vavy 18 taona hatramin’ny 35 taona, ny he­tsika. Olona ahitana ireto fambara sy famantarana ireto nandritra ny telo herinandro: mitoka-monina matetika, tsy mahita tory mihitsy na be torimaso loatra, tsy mazoto ho­mana na mihinan-kanina foana, rera-dava ary mahatsapa alahelo maharitra. Ireo olona mipetraka sy monina eto amin’ny faritanin’Antana­na­rivo ary tsy manana fahafahana ara-bola hanatona “psy­chologue” no iantefan’ny tolotra. Tokony hanana fotoana isaky ny sabotsy, amin’ny vo­lana febroary sy marsa, taona 2026, ireo vonona hanaraka ny fizahana sy fanohanana ara-tsaina maimaimpoana.

Vonjy

Partager sur: