Medaly voalohany azon’ny Malagasy ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu brezilianina, tanterahina any Abu Dhabi, ny medaly volamena norombahin-dRanaivomanana Idealisoa, ny alahady lasa teo. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany, araka izany, ity Malagasy mpikatroka eo amin’ny Gi/Kids 3/White/32kg, ity. Marihina fa zandrin’i Christian, ilay nahazo laharana fahatelo tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany tamin’ny taon-dasa, i Idealisoa. Ankoatra azy, nahazo medaly alimo, teo amin’ny sokajy zazalahy Gi/Kids 3/Grey/42kg, Ranarivelo Ando Mahasoa. Anisan’ ny nifaninana, omaly, koa i Aiky, saingy resy teo amin’ny ady voalohany natrehiny. Tsiahivina, efa nisy Malagasy mpikatroka 4 mianadahy koa nifaninana ny faran’ny herinandro teo, saingy resy avokoa.
Nisy ny hafatra nataon’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny JJB ny faran’ny herinandro teo mahakasika ity taranja ity. Nambarany fa telo taona monja izao no nitsanganan’ny federasionina nefa efa naneho porofo tamin’ny fandrombahana anaram-boninahitra maro tamin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany i Madagasikara. Nomarihiny ihany koa ary nampametra-panontaniana azy ny hoe: “fa nahoana ny taratasy fangatahana nataonay amin’ny fanohanana no tsy tonga amin’ny filankevitry ny governemanta nefa misy federasionina mahazo subvention raha vao manao izany ao anatin’ny herinandro monja”?
Mi.Raz




