Efa manomboka miditra amin’ny fifidianana eo anivon’ny ligy, amin’izao fotoana izao, ny taranja basikety, taorian’ny fifidianana teny anivon’ny seksionina. Ligy telo indray no nahavita izany tamin’iny faran’ny herinandro iny. Anisan’izany ny ligin’i Bongolava sy Matsiatra Ambony. Raha ny tetiandro, ny volana janoary 2026 no hotanterahina ny fifidianana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety.
Hotanterahina ny 29 sy 30 novambra izao, eny amin’ny Paul Minault Androhibe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs, sokajy Jeunes, taom-pilalaovana 2025. Efa misokatra ny fisoratana anarana ka afaka mandray anjara avokoa ny mpilalao misoratra eo anivon’ny federasionina malagasin’ity taranja ity. Fifaninanam-pirenena mamaramparana ny taona 2025 ho an’ny taranja Échecs.
Tafakatra any amin’ny dingan’ny lalao sakana kaontinantaly ny ekipam-pirenen’ny Repoblika Demokratika an’i Congo (RDC), afakomaly. Nahintsan’izy ireo teo amin’ny fandakana tirs au but, 4 no ho 3, ry zareo Super Eagles Nigeria, rehefa nisaraka ady sahala 1 no ho 1, nandritra ny fe-potoana ara-dalana.




