Lehilahy hita faty tetsy Andoharanofotsy : Karohin’ny zandary fatratra ny vadiny

Hita faty nafenina tao ambany fandriana, tetsy Andoharanofotsy, ny lehilahy iray afakomaly. Ahina ny vadiny niara-monina taminy ka karohin’ny zandary fatratra.

Nitrangana vono olona mahatsiravina tao amin’ ny fokontany Beomby, Andoharanofotsy, afakomaly maraina. Hita faty nafenina tany ambany fandriana, tao amin’ny rihana faharoa, ny lehilahy iray, 31 taona. Nahi­tana dian’antsy maro ny lo­hany, nisy pempo ihany koa teo ambany masony. Tsy nahi­tàna ratra hafa kosa ny va­tany. Miara-miaina amin’ny vadiny, 36 taona, antsoina hoe: Fanjasoanilaina Marie Odette, izy io. Nitsoaka nia­raka ta­min’ny zanany vavy 9 taona iray izy, taorian’ny loza ary tsy hita ny misy azy amin’ izao fotoana. Anisan’ny voa­rohirohy ho nanao ny vono olona mahatsiravina izy io ka karohin’ny mpitandro filami­nana fatratra. Iangaviana izay mahita azy mba hampandre ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra.

Mifamaly matetika

Mifamaly sy miady mate­tika izy mivady ireo satria nampirafy ralehilahy. Mandefa vola amin’ny vehivavy sakaizany izy ary tratran’ny vadiny niantso tamin’ny finday. Efa intelo nandamina izany ny fianakaviana ary nilamina ihany taorian’izay. Tsy nisy nanampo an’izao vono olona izao anefa ny rehetra. Mbola nifamaly izy mivady ora vitsy talohan’io tranga io ary niezaka nandamina izany ny tompon-trano, raha ny fanazavana voaray. Niverina nijery azy ireo ny tompon-trano afaka kelikely saingy trano efa nihoson-dra no hitany. Ravehivavy irery no hitany tao anaty trano nikorontana tanteraka. Rehefa nano­n­tanian’ny tompon-trano ity farany, nilaza fa efa nalefany any amin’ny hopitaly ilay rangahy vadiny.
Naka horonan-tsary sy nanadihady ny zava-misy ny tompon-trano. Natao ny fikarohana ny efitrano rehetra. Kanjo hita nafenina tao am­bany fandriana ny vatana mangatsiakan’ilay rangahy. Nan­dositra avy hatrany anefa ilay ramatoa taorian’izay ary tsy hitan’ny tompon-trano ny nitsoahany. Efa manokatra
ny raharaha ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Ando­ha­ranofotsy.

Mino

Partager sur: