Hita faty nihantona tamin’ny tady tao an-tranony, tany Mahatsinjo, vakim-paritra voalohany, Mahajanga, afakomaly atoandro, ny tovolahy iray manodidina ny 13 taona. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy, ary tamin’ny fotoana tsy nahatao ity farany no namonoany tena.
Nandeha nivoaka niasa maraina ny reniny. Vatana mangatsiaka efa nihantona tamin’ny tady sisa novantaniny tao an-trano vantany vao tafody avy niasa. Tokony ho adiny roa talohan’ny nahatongavan-dreniny no nitrangan’ny loza. Nihidy ny varavarana tany aloha, ary niditra tany amin’ny varavarana hafa izy kanjo zava-doza no niandry azy.
“Notapahiko avy hatrany ny tady sao mbola avotra ny zanako saingy indrisy fa efa maty », hoy ny fanazavan’ny reniny. Nampandrenesina ny fiarahamonina sy ny sefo fokontany ary ny polisy. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza izy ireo niaraka tamin’ny mpitsabo, taorian’ny antso. Fahafatesana vokatry ny tsindry ara-pihetseham-po no nahazo ilay tovolahy, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Voalaza fa nangala-bola 16 000 Ariary tamin’ny mpifanolobodirindrina azy io tovolahy maty io, ny herinandro lasa teo. Nanarin’ny reniny izy ary naverina tamin’ny tompony ilay vola. Tonga nanome tsiny azy tao indray anefa ny renibeny tamin’ny alahady. Ny tsy fahazakany ny teny mahery sy ny tsy fahafahana misoratra anarana any an-tsekoly noho ny tsy fisian’ny vola no heverina ho nitarika azy tamin’ny famonoan-tena. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.
Mino




