Mpiasa nangalatra volan’ ny mpampiasa azy voasambotra tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Ambodivoina, ny 16 novambra teo. Niasa tao amin’ny tranombarotra iray tao Mananara Avaratra io lehilahy io. Nanararaotra ny fahatokisan’ny mpampiasa azy izy ka nanjavona nanomboka ny 10 novambra lasa teo. Nanamarina ny vola tao an-tsena ny mpampiasa azy, kinanjo banga lelavola mitetina 5 800 000 Ar. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana miasa ao amin’ny kaomisaria Mananara Avaratra avy hatrany ny lasibatra. Niroso tamin’ny fanaovana fanadihadiana izy ireo. Naharay loharanom-baovao izy ireo fa nandositra niakatra aty an-dRenivohitra io mpangalatra io. Nampita ny loharanom-baovao tamin’ny mpitandro filaminana miasa eto Antananarivo avy hatrany ny polisy miasa ao Mananara Avaratra. Nandrindra ny fiaraha-miasa ny roa tonta ka nametraka paikady hisamborana ilay voarohirohy. Nandrasana kendry tohina teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy mampitohy an’i Mananara Avaratra sy Antananarivo, Ambodivona, io lehilahy io. Tratran’ny polisy miasa eo anivon’ny CSPIII izy, ny marain’ny alahady 16 novambra. Naverina avy hatrany any Mananara Avaratra hatao fanadihadiana aloha ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.
Tsiferana R.




