Nosoloina ny CB sy ny delege miasa eo anivon’ ny kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, taorian’ ny fitokonana nataon’ny fokonolona. Ny fisian’ny tranga kolikoly sy fangalana vola tsy ara-drariny momba ny fanoratana omby anaty boky sy taratasin-tany tamin’ny vahoaka tao an-toerana no antony.
Dahalo nangala-basy tao Beroroha Atsinanana, lavon’ny balan’ny zandary, ny 16 novambra teo. Roa lahy niara-nanao io asa ratsy io. Nanara-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana. Nandalo tao amin’ny kizo mihazo an’Ankatoky izy roa lahy ireo. Raikitra ny fifampitifirana ka lavo ny iray.
Tafakatra efatra ireo namoy ny ainy vokatry ny fihinanana Antsantsa tao Vohémar, afakomaly. Olona
11 manaraka fitsaboana, raha toa ka nalevina ny ambin’ny henan’io trondro nampaharary olona am-polony io.
Zazalahy nisy nikasa haka an-keriny tafaverin’ny fokonolona teny anivon’ny fianakaviany tao Ambatondrazaka, ny faran’ny herinandro teo. Nivoaka hivalan-drano io zaza io kanjo nisy lehilahy nibata tampoka. Notsindrominy zavatra tsy fantatra ilay zaza ka verivery saina sy tsy nahatsiaro tena. Nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ ny zaza lasibatra.




