Fikaonandoham-pirenena kristianina: Hanomboka anio ary haharitra hateloana eny Mandrimena

Natokana ho an’ny rehetra vonona hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-piangonana ny fikaonandoham-pirenena kristianina.

Hanomboka anio ary ha­haritra hateloana ny fi­kaonandoham-pirenena kristianina voalohany eto Madagasikara, hotanterahina eny amin’ny ISTS Mandri­mena Iavoloha. Tafiditra amin’ ny fanamarihana ny faha-190 taonan’ny Baiboly ny hetsika. Misahana ny fanomanana izany ny Fikambanana mampiely Baiboly eto Mada­ga­sikara. Nambaran’izy ireo fa hanehoana ny anjara andraikitry ny kristianina manoloana ny seha-piainana folo izany. Hifampidinihina mandritra ny fivoriana ny sehatra rehetra, ka handraisana fehin-kevitra, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny Fikambanana mampiely Baiboly malagasy, Rabe­nifara Désiré. Zavatra telo no hangatahina havoakan’ny mpivory. Voalohany, ahoana no iainan’ny tsirairay ny seha-piainana folo ka hampison­gadina ny zava-misy tena iainana? Faharoa ny ambaran’ ny Soratra Masina mahakasika ny seha-piainana tsirairay. Fahatelo, ahoana ny fomba hanatanterahana izany amin’ ny fiainana manokana sy amin’ ny fiainan’ny fiangonana, fianakaviana? Havadika ho he­tsika hiteraka vokatra tsara araka ny sitrapon’An­dria­ma­nitra ho an’ny tsirairay ireo avy eo.
Tamin’ny voalohan’ny tao­na no efa nanomana ity hetsika fikaonandoha ity ny mpika­rakara. Resy lahatra izy ireo manoloana ny zava-misy lalovan’ny firenena ankehitriny. Mila izany ny vanim-potoana iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao, satria manan-kambara amin’izany Andria­manitra.
Anisan’ny seha-piainana horesahina mandritra izany koa ny tontolo iainana ka ho­velabelarina ao ny ambaran’ ny Soratra Masina momba izany sy ny baikon’Andria­ma­nitra amin’ny hanjakan’ny olombelona amin’ny zavaboahary. Hazavaina ao koa ny mahakasika ny vokovoko maitso sy ny anjara andraikitry ny kristianina sy ireo mpitarika fiangonana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, araka ny fanazavan’ny Dr Rakotoson.
Lalaina.

Vonjy

Partager sur: